Akademia Miaramila Antsirabe : Naseho ambany faneva ny andiany faha-47

Notanterahina tao amin’ny place d’armes de la Garnison d’Antsirabe, ny zoma 29 no­vambra teo ny fanehoana ambany fanevan’ireo mpianatra ho manamboninahitra andiany mivantana faha-47. Nahavita ny sedra sy ny fataizana amin’ny maha miaramila nandritra ny telo volana izy ireo. Nanome voninahitra ny lanonana ara-miaramila ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, notronin’ireo manamboninahitra sivily sy miaramila eo anivon’ny minisiteran’ny Foloalindahy sy ny Etamazaoron’ireo Tafika. Mariky ny firosoana lalina amin’ny maha mpianatra ho manamboninahitra ny fanehoana ambany Faneva, araka ny fomba amam-panao sy fanajana ny soatoavin’ny sekoly. Nitondra hafatra sy tsodrano ho an’ireo mpianatra ny MFA mba hananan’izy ireo fahavononana hiatrehana ny fiofanana hamolavolana azy ireo ho lasa manamboninahitra feno, vonona sy vanona afaka mandray andraikitra. Miisa 62 ireo mpianatra ho manamboninahitra andiany faha-47 ahitana vehivavy dimy sy lehilahy 57 ka misy teratany Burkinabe roa amin’izy ireo. Ho fampiroboroboana ny sekoly indrindra ny lafiny maha olona, tsy miraviravy tanana ny MFA amin’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa amin’ny maha tomponandraikitra voalohany ny Akademia Miaramila. Nisy, araka izany, ny fametrahana vato fototra hanarenana ny toby fitsaboana eo anivon’ny Akademia Miaramila.

J.C

Partager sur: