Antsampanana Brickaville : Mirongatra izaitsizy ny fanolanana

Kaominina ahitana trangana fanolanana matetika ny kaominina Antsampanana Brickaville RN2. Voaporofon’ny antontan-taratasin’ady telo mahakasika fanolanana izay niakatra tao amin’ny Lapan’ny fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava Toamasina, omaly izany.

Voalohany ny antontan-taratasin’ady laharana faha 50-Toa/24 hanenjehana an’i Todizara Eric noho izy tompon’antoka tamina fanolanana ankizivavy 8 taona ny 01 jolay 2022. Tao amin’ny fokontany Antanambao An­tsampanana no nitrangan’izany. Niaiky ny heloka vitany ny voampanga nandritra ny fifandaharana teo anoloan’ny fitsarana. Nambarany fa noho ny fisotroana toaka gasy no nahatonga azy nanao io fihe­tsika feno habibiana io satria tsy tompon’ny tenany intsony. Tsy vitan’ny efa naolana fa mbola norahonana tamin’ny antsibe koa ny renin’ilay ankizy niharam-boina. Simba tanteraka ilay ankizivavy nandritra ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Vokany, nilatsaka ny didy famaizana avy amin’ny mpitsara ka voaheloka an-terivozona 10 taona i Todizara Eric. Aorian’ny fivoahana ny fonja afaka 10 taona, mbola miampy dimy taona tsy mahazo manitsaka ny faritra fiaviany koa izy. Antontan-tarata­sin’ady faharoa laharana faha 78-Toa/24 enenjehana an’i Pierrot Célestin tao amin’io kaominina io ihany, momba ny raharaha fanolanana. Miafina amina toerana somary takotakona izy ka miandry ny fira­van’ny mpianatra. Sendra ireo mpianatra nahay azy anefa izy ka niharan’ny fitsaram-bahoakan’ireo mpianatra raha nikasa hanolana. Tapaka ny ratsan-tanany satria nokaike­rin’ireo mpianatra. Nilatsaka ny sazy ka voaheloka dimy taona am-ponja izy. Toy izany koa ny raharaha fahatelo saingy samy tsy ampy taona na ny mpanolana na ny voaolana. Voaheloka 30 volana an-tranomaizina ilay tovolahy tsy ampy taona nanolana ankizivavy 11 taona.

Sajo

Partager sur: