Hotanterahina anio, manomboka amin’ny 11 ora antoandro ao amin’ny kianja Johannesbourg, Afrika Atsimo ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika taranja baolina kitra, sokajy U17 vehivavy na ny Cosafa. Hifanandrina amin’izany ny Barea de Madagascar sy i Namibie, ho an’ny sokajy “B”. Efa any an-toerana ireo Malagasy mpilalao miisa 20 mirahavavy. Tsiahivina fa ao anatin’ny sokajy maozatra ny Barea de Madagascar satria miaraka amin’i Afrika Atsimo sy i Malawi.
Na izany aza, efa nanoman-tena hatry ny ela ireo tovovavy malagasy, hiatrika ity fihaonana ity. Mpilalao ampy fifaninanana avokoa izy ireo. Tsiahivina fa ny taona 2020 tatsy Maurice no niatrika ity fifaninanana ity farany ny Barea. Ankoatra izay, tokony hatao any Mozambique ity fihaonana ho an’ny sokajy zandriny ity, saingy izao nafindra atsy Afrika Atsimo izao indray. Ao amin’ny vondrona “A” no misy an’i Mozambique sy i Comores ary i Eswantini sy i Lesotho. Ny vondrona “C” indray no ahitana an’i Zambie, Botswana, Zimbabwe ary i Maurice.
Tompondaka