Nosamborin’ny zandary ny mpamilin’ny taxi-be 114 iray sy ny mpanampy azy, omaly. Nanaraotra mpandeha, nandika lalàna izy ireo ka antony nisamborana azy. Miasa mampitohy an’Analakely sy Ambohijanahary saingy niainga teo Antanimena, nanao tapa-dalana izy ireo, ny afakomaly hariva. “Mbola nilaza ny mpanampy ny mpamily fa hatreo Ambohibao ihany no farany”, hoy ny fanazavan’ny zandary. Nijanona teo Ambohibao ny fiara tamin’ny 7 ora sy sasany hariva. Tsy nanaiky ireo mpandeha fa aterina any amin’ny farany izy ireo. Tetsy ankilany, zandary am-perinasa iray nilaza tamin’ny mpamily fa mila aterina eny amin’ny farany ao Ambohijanahary ireo mpandeha ireo. Tsy nanaiky ny mpamily. Nentiny nandroso ny fiara ary nampangalany sisin-dalana. Tezitra ireo mpandeha ary nitatitra ny zava-nisy tamin’ny mpitandro filaminana. Vokany, nosamborina ny mpamily sy ny mpanampy azy. Marihina, ahitana tranga mitovy amin’ity tetsy Ambohijanahary ity avokoa ny ankamaroan’ireo taxi-be indrindra rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao.
Tsiferana R.