Fijery hafa : Tanora 11 440 hiofana ao Vakinankaratra

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, tamin’ity herinandro ity, tao amin’ny LTP Antsirabe ny hetsika « Fijery hafa » ho an’ny faritra Vakinankaratra, izay miaraka amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa. Sampam-panofanana marolafy no nahafahan’ireo tanora sy vehivavy miisa 11 440 nisoratra anarana nisafidianana : fanamboarana mofomamy : 1805, fikirakirana hazo : 294, fanamboarana vy : 568, fanamboarana savony sy labozia : 1005, fambolena legioma : 476, fiompiana akoho – kisoa – bitro : 1446, zaitra : 1136, fikojana hoho : 672, fanodinana ronono : 1240, informatika : 840 ary taotrano : 532. Sehatrasa hafa nahatratra 544 ireo liana.
Tanjon’ny minisitera amin’ny izao hetsika izao ny manatona ireo vondron’olona hamantarana ireo fiofanana ilain’ny besinimaro. Hisy fampiofanana maimaimpoana hatolotra azy ireo arahana mari-piofanana rehefa vita. Nitarika ny hetsika tany an-toerana ny minisitra mpiahy, Rasoloarisoa Marie Marcelline. Nanotrona teo koa ny solombavambahoaka sady filohan’ny vaomieran’ny fampianarana teknika sy fanofanana arakasa.

Vonjy

Partager sur: