Andrasana amin’ny faran’ny herinandro ny fiaramanidina ATR iray an’ny kaompania Madagascar Airlines, hoy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valery, omaly, nandritra ny fankalazana ny faha-80 taona ny Organisation de l’Aviation Civile Internationale (OACI) teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Hanampy ireo fiaramanidina telo efa miasa ity ATR ity. Hiasa manomboka amin’ny tapa-bolana kosa ny fiaramanidina iray hafa mandalo fikojakojana sy fanaraha-maso raha andrasana mialoha ny faran’ny taona kosa ny fahatelo. Nilaza ny minisitra fa hampitomboana hatrany izany amin’ny taona ho avy mba hahatrarana ny 1 tapitrisa mpizahantany amin’ny taona 2028.
Sidina
Nigadona tao Nosy Be omaly, ny kaompania Arkia Isaraeli Airlines. Tonga tamin’ny faran’ny volana teo ihany koa ny Bulgaria Air, porofo izao fa misokatra amin’ireo kaompania avy any ivelany
ny lanitr’i Madagasikara. Ankoatra izay, mifampiresaka amin’ny fitondram-panjakana ireo kaompania iraisam-pirenena maniry hiara-hiasa amintsika toy ny Rwandair, ny Egypt Air, ny Royal Air Maroc sns. Ankilany, mitombo ihany koa ny sidina ataon’ireo kaompania hafa eto amintsika. Toy ny Kenya Airways izay manao sidina 14 amin’izao fotoana, ny Emirates manao sidina 13 raha toa ka 4 izany teo aloha. Marihina fa hita eny amin’ny seranam-piaramadina Ivato hatramin’ny sabotsy ireo mpisehatry ny habakabaka samihafa. Lohahevitry ny fankalazana ny hoe «lanitra azo antoka sy ho avy mamaritra, iarahana ho an’ny 80 taona manaraka».
Henintsoa Hani