Nahodinkodin’ny lehiben’ny banky iray eny Itaosy ny vola mitentina 4 miliara Ar an’ny mpanjifan’io banky io. Tonga nametraka fitoriana ireo niharan’ny halatra sy ny fanodinkodinam-bola. Misy amin’izy ireo no nindrana, nisy kosa nametraka vola tao amin’io banky io. Niakatra teny anivon’ny fampanoavana ny raharaha ka ireo mpanjifa tonga hijoro vavolombelona indray no naiditra am-ponja vonjimaika. Tonga tao amin’io banky io ireo olona manana orinasa kely mpindram-bola amin’ny banky. Nisy ny fifanarahana tamin’ny alalan’ny fifanaovan-tsonia momba ny findramam-bola. Io lehiben’ny banky io no nandray ireo mpanjifa. Nahodinkodin’io mpiasan’ny banky io anefa ny vola fa tsy voarain’ireo olona mpindram-bola. Voalaza anefa fa efa voaroaka tao amin’ny banky io mpiasa io. Nametraka fitoriana momba azy ny banky niasany. Nitory azy teny amin’ny polisy koa, araka izany, ireo olona tsy nahazo ny vola. Nolazain’ny polisy anefa fa mandeha ny fikarohana ilay mpiasan’ny banky. Niakatra teny anivon’ny fampanoavana raharaha. Nohenoin’ny fampanoavana ireo olona 14 nitory noho ny tsy fahazoan’izy ireo ny volany. Tsy nalefa nody intsony izy ireo taorian’ny fifandaharana manoloana ny mpitsara ka naiditra am-ponja. Nolazaina fa niray tsikombakomba tamin’io mpiasan’ny banky io.
J.C