Kandidà Harilala Ramanantsoa: Manana tetikasa tena ilain’ny vahoaka eto Antananarivo Renivohitra

Maro ireo vinan’asa kasain’ireo kandidà hotanterahina mandritra ny fe-potoam-piasany amin’ny maha ben’ny Ta­nà­na azy. Misy anefa ny vina fohy ezaka ao anatin’izany noho ny zava-misy iainan’ny va­hoaka. Raha ho an’Antana­na­rivo Reni­vohitra manokana, laharam-pahamehana ny rano fisotro madio sy ny jiro, izay tena mam­­pijaly ny rehetra ankehitriny. Eo ihany koa ny fifehezana ny fako sy ny fahadiovan’ny ta­nàna. Ny fandrindrana ny fifamoivoizana sy ny toerana samihafa.
Kandidà manana vina entina mamaly izany i Harilala Ramanantsoa. Misy ny vinan’asa fananganana orinasa mpanodina fako ho angovo. Tetika­sa izay lehibe sy miavaka satria, sady hampadio ny tanàna no hampihena ny fiankinandoha amin’ny famokarana herinaratra amin’ny alalan’ny solika. Eo koa ny fanaovana “forages” amina toerana maro eto an-dRenivohitra, izay ho fampanakaikezana ny vahoaka ny rano fisotro madio. Laharam-pahamehana sy tena ilain’ny vahoakan’Antananarivo ireo.
“Efa niasa sy miasa ary mbola hiasa”, hoy ny nambarany ao anatin’izao fampielezan-kevitra izao. Efa nisy famolavolana ny fametrahana ny orinasa mpamadika ny fako ho angovo azo hampiasaina. Tao anatin’
izany no nanaovana fidinana ifotony teny Andralanitra nijerena ireo fako eny an-toerana, fony izy filohan’ny Delegasioni­na manokana an’Antananarivo (PDS). Efa am-periny ihany koa amin’izao ny fanaovana “forages” ho famahana ny olan’ny rano. Efa nisitraka izany rahateo ny teny Ambohipo.

Lin

Partager sur: