Nahabe adihevitra tetsy sy teroa tato ho ato ny hoe mihavery hasina ny antoko politika, fa mahazo vahana ny tsy miankina. Nahoana? Maneho ny heviny ny tomponandraikitra amin’ny fanetsehana fiarahamonina sy olom-pirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat. Dinidinika…
Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny fizotran’ny fampielezan-kevitra amin’izao fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina izao?
Miadana Fabien Privat (-): Teto Antananarivo no nisy nikarakara adihevitra… Misy manontany dia mba tena mivoaka ny hevitra. Fa amin’ny fitetezam-paritra, tsy tena mivoaka izay fandaharanasan’ny kandidà. Fanampian’izay, tsy mampahafantatra ny andraikitry ny ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina ry zareo fa variana mampanantena zavatra fotsiny. Rehefa ny mpanohitra, ohatra, no be dia be amin’ny mpanolotsaina, inona no hitranga? Ahoana koa rehefa mpanolotsaina no miara-dia amin’ny ben’ny Tanàna?
* Inona no mety ho vokatr’izay?
– Mijanona amin’ny fahadisoam-panantenana hatrany… Mijanona amin’ny famalifaliana vahoaka hatrany tsinona ny fampielezan-kevitra fa tsy tena mivoaka ny hevitra. Eo koa ny fahaizana madangolango sy mizara zavatra… Misy fiantraikany amin’ny fifidianana ny lafiny fampianarana amin’ny ankapobeny. Hita taratra amin’ny fifidianana ny fahazoana miditra amin’ny fianarana. Na izany aza, betsaka amin’ireo olona hoe nianatra no tsy mivaky loha amin’ny fifidianana. Vitsy anisa no tena afa-mandanjalanja. Nefa ny demokrasia antsika ny mahazo ny maro anisa no voafidy. Mitovitovy avokoa izao ny fampielezan-kevitra.
* Inona no mety hanarenana an’izay?
– Ny fikarakarana adihevitra mba hahazoana hoe tena voafaritra tsara izay lazaina: tsy maintsy mamaly izay anontaniana… Amin’izay no ahazoana mamoaka izay tena tian’ny kandidà hatao. Tokony hatao matetika isaky ny fifidianana izay adihevitra azon’ny rehetra atrehina sy ahazoana manontany izay. Ny tena tsara dia hoe manana fandaharanasa mazava ny kandidà. Raha antoko politika, manao famolavolana olona ary tokony hisy fandaharanasa manaraka an’izay. Nefa variana manaraka olona ny antoko politika eto amintsika. Marina fa misy miteny hoe demokaty, liberaly, sosialista… Nefa rehefa tena zohina, olona no arahin’ny antoko politika. Rehefa tsy eo izay olona izay, tsy mandeha ny antoko.
Nangonin’i R. Nd.