Ny zavakanto ho fanampiana ny mpiara-monina. Raikitra indray ny “Mozika an-dalambe”, ho an’ity taona ity. Hotontosaina ny sabotsy 14 desambra izao izany, manomboka amin’ ny 11 ora, eny Ampefiloha. Tsy miala amin’ny antom-pisiany hatramin’ny voalohany ny hetsika dia ny fampisehoana zavakanto, hanentanana izay malala-tanana mba hanome ho an’ireo tsy manana. Hisy sehatra hatsangana ho an’ireo mpanakanto, izay manolo-tena handray anjara sy hanafana izany. Tsy mpanao mozika ihany fa eo koa ireo mpanao slam, mpanao hatsikana, mpandihy, sns.
Hiara-dalana amin’ny hetsika fanamarihana ny faha-60 taonan’ny Cité Ampefiloha ihany koa ny “Mozika an-dalambe” amin’ity. Mialoha ny fampisehoana, hisy ny hetsika ara-panatanjahantena, hifanentanan’ireo mponina. Dia an-tongotra manodidina ny Cité, arahina zumba ny maraina. Hiara-dalana amin’izay koa ny fizaham-pahasalamana hijerena ny maso sy hitiliana ny diabeta sy ny tosidra. Entanina ny rehetra mba hitondra izay fitafiana azo zaraina amin’ireo tsy manana. Hisy ihany koa ny rakitra hanampiana izany.
Zo ny Aina