Tra-doza teo am-panantanterahana ny asany, zandary iray trobaky ny antsy tao Tsiroanomandidy, afakomaly. Novonjena teny anivon’ny hopitaly, nandalo fandidiana izy fa tsy tana ny ainy.
Niharan-doza tampoka, zandary am-perinasa namoy ny ainy, omaly maraina, rehefa nialan’ny mpitsabo nenina vokatry ny tsatok’antsy nahazo azy. Nanao fisafoana tao amin’ny kaominina Fierenana, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny zandary telo lahy. Tsena tao an-toerana tamin’io andro io ka vory lanona ny fokonolona. Nisy andian’olona tsy nifankahazo ka nifampikasin-tanana. Niditra an-tsehatra nanasaraka ireo olona niady ireo noho izany ireo zandary. Tsy nanampo na inona na inona, nisy nitazon’antsy tamin’ireo olona niady. Voatsatoka teo amin’ny kibony ny iray tamin’ireo zandary telo lahy. Lavo tamin’ny tany ity farany. Nifamonjen’ireo nanatri-maso izy. Nentina teny anivon’ny CSBII ao Fierenena. Tsy vitan’ny mpitsabo, nentina nihazo ny hopitaly ao Tsiroanomandidy izay lalana 70 km niala ny tanàna io naratra mafy io. Voatery nandalo fandidiana izy, ny alin’io talata io ihany tamin’ny 8 ora sy sasany. Nalefa tao amin’ny fameloman’aina taorian’izay. Afa-nenina ireo mpitsabo eo anivon’ny CHRR Bongolava. Namoy ny ainy omaly tamin’ny 7 ora sy sasany maraina anefa io zandary voan’ny antsy io.
Nifanenjehana ireo dimy lahy
Naka ny fitaovam-piadiana latsaka teny amin’ilay zandary namany voatsatok’antsy, nifanenjehan’ireo roa lahy namany ireo olona dimy nifampikasi-tanana ka nahatonga ny loza. Nanao tongotra an-katoka, samy nitsoaka ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona izy ireo. Hatreto, andalam-panantontosana ny famotorana sy fisamborana ny nahavanon-doza tamin’ity tranga ity ny zandarimaria miasa ao amin’ny kaominina Fierenena. Efa tratra ny roa lahy ary karohina ny telo namany. Natolotra ny ray aman-dreniny izay monina ao Tsiroanomandidy ny vatana mangatsikan’ilay zandary. Hoentina mihazo ny tanindrazany any Ambositra izy, araka ny loharanom-baovao.
Tsiferana R.