Anisan’ny fifidianana tena manakaiky ny vahoaka ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina. Zava-dehibe, araka izany, ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena tsirairay mba hisian’ny fampandrosoana eny ifotony. “Olona manana vina sy afaka hampandroso ny tanàna no tokony hofidina”, hoy ny solombavambahoaka, Raholdina Naivo, voafidy tao amin’ny boriborintany fahadimy. Lohalaharana amin’izany ireo kandidà miara-miasa amin’ny fanjakana, araka ny nambaran’ity solombavambahoaka ity.
Misy ny fanampiana avy amin’ny fanjakana ho an’ny kaominina entina mampivoatra sy mampandroso ny tanàna. Ho fanasoavana ny kaominina ny fanampiana fa tsy fanasoavana ny antoko. Ho an’ny eto Madagasikara manokana, mahazo vahana kokoa ny ben’ny Tanàna miara-miasa amin’ny fitondram-panjakana amin’ny fahazoana izany noho ireo miara-dia amin’ny mpanohitra. Izany indrindra no nanentan’ity solombavambahoaka ity ny olom-pirenena hahay hisafidy ny kandidà hofidina mba ho tombontsoan’ny tanàna. Nambarany fa “ho sahiran’Antananarivo raha olona hanao kajikajy politika sy fitaovana ny vahoaka no lany eo”.
Lin