Takona ny vanim-potoana sasany : Ovain’ny hevi-diso sy ny diso hevitra ny zava-n(m)isy

Tsy mba nanana alfabeta nandraiketana an-tsoratra ny tantara nisy teto amin’ny taniny ny Malagasy fahiny. Saika tamin’ny alalan’ny lovan-tsofina sy tadidy vava no nametrahany ny hafatra…

Hatramin’izao, mbola misy ny Malagasy mi­he­vitra fa voarefin’ny taona gregorianina ny fanisan-taona maneran-tany. Samy manana ny azy. Ny an-dry zareo Sinoa, tsy mitovy amin’ ny an’ny Frantsay. Manana ny azy ihany koa ny Malagasy, saingy, maro ny diso fanombohana. Ny ankamaroan’ireo, ilay vanim-potoana nidiran’ny vahiny no iaingany ka hijereny sy handalinany zavatra maro. Anisan’izany ny tantara, ny fi­noana, ny fivavahana, ny fomba amam-panao, ny zavakanto sy ny kolontsaina, sns.
« Tamin’ny vanim-potoana maizina », hoy ny sasany. Io no ilazany ilay vanim-potoana talohan’ny nidiran’ny Erô­peanina teto. Maizina ve ahafantatra ny maha sarobidy ny aina ? Maizina ve ny filazana fa « aza ny lohasaha mangina no jerena fa Zanahary an-tampon’ny loha » ?… Ao indray ireo manomboka eo amina trangam-piarahamonina samihafa. Tratra aoriana, hono, i Ma­dagasikara, satria, tsy mbola manana izatsy na izaroa…

Tany ambadik’Imanareza, fahiny, fahagola…

Nanana ny fomba fandrafesany ny fotoanany na ny va­nim-potoanany ny Mala­gasy. Anisany ny toetry ny andro. Zaza vao iray ranonorana. Voa­tavo tsy mifandraka, indray mahamasa-bary, sns. Fa nisy koa ny tany ambadik’ Imanareza, fahiny, fahagola, zaza niara-nilalao vovoka (nanehoana fitovian-taona)…
Raha ireny no niaingana hatramin’izay, tsy nisy afaka nanova ny tena zava-nisy marina teto. Fahagola no efa natahotra an’Andriamanitra Andriananahary ny Malagasy. Tany ambadik’Imanareza no efa nahalala ny « fanahy no olona » ny Malagasy. Fahiny no efa niaina ny « tsy mitsako alohan’ny vazana » ny fiarahamonina malagasy, sns.
… Saingy, tsy voatazona intsony ny ankamaroan’izy ireny. Niantsampy any amin-java-tsy fantany fototra akory ny Malagasy. Mivarahontsana raha vao ilazana ny fisian’ny « afobe », fa tsy mihetsi-bolomaso akory raha ilazana fa « manody io zavatra ataonao io » !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: