Hitohy ao Paris ny hetsika fanomezam-boaninahitra sy fahatsiarovana an’i Ninie Donia. Hifamotoana ny sabotsy izao ireo mpanakanto sy ireo mpankafy ny mozika malagasy any an-toerana. Hitarika ny hetsika ireo mpitendrin’i Ninie Donia hatramin’izay, ampian’ny tarika Tsivahiny, Toto Mwandjani, Tearano, Blilo, Booshirany, Maurena, Shao Boana, Hazolahy, Anderson Jaojoby, Flavien Rotsaka, sns.
Anisan’ny zavakanto tsy ahitana soritra ny ho dimbin’ireo kalazalahy ny hatsikana. Tsy marisika hisehatra amin’ity taranja iray ity loatra ny tanora noho ny antony samihafa. Iray amin’ireny ny filazana fa sarotra ampihomehezina ny Malagasy. Fa, ny iombonan’ny feo maro dia ny hoe: “ somary mbola voahidy kokoa ny fanaovana hatsikana raha oharina amin’ny zavakanto hafa tahaka ny hira… Mila fitandremana fatratra ny soatoavina napetraky ny teo aloha”!
« Atrikasa gitara », eny amin’ny Anac Anosy, ny sabotsy 7 desambra izao. Ny fifandraisan’ny mozika klasika sy ny bagasy an-gitara no hovelabelarin’i Jino Raman, mandritra izany. Mpampianatra gitara ao amin’ny Anac izy, no mpitendry matihanina ihany koa. Maimaimpoana ary misokatra ho an’ireo rehetra liana, na mpitendry mankafy fotsiny na efa matihanina ny atrikasa.
Taona 2025, hiroso amin’ny dingana fanitarana sy fanatsarana ny toeram-pampianarana kolontsaina sy zavakanto maromaro eto Antananarivo sy ny manodidina ny ivontoerana misahana izany. Anisan’ny hiova amin’izany ny fananana fandaharam-pianarana mitovy. Omena lanja bebe kokoa ny sehatra ivelaran’
ireo mpianatra, amin’ny alalan’ny seho iombonana.