Tetikasan’ny USAID any Atsimo Atsinanana: Nanara-maso ny masoivoho amerikanina

Nidina tany amin’ny faritra Atsimo Atsinanan’i Madagasi­ka­ra izay hanatanterahana ny tetikasa roa lehibe “Vikina sy harea” ny masoivoho amerikanina, Claire Perangelo, nijery ireo tetikasan’ny  USAID.
Hiompana betsaka amin’ny fahaiza-miatrika sy ny fanjarian-tsakafo ireo tetikasa goavana roa ireo. Hanampy tokantrano marefo maherin’ny 88 000 any amin’ny faritra atsimo sy atsimo atsinanan’i Madagasikara mandritra ny dimy taona.
Efa nanokana vola mitentina 22 tapitrisa dolara ny amerikanina ho an’ny taona 2024 sy 2025 hanatanterahana izany tetikasa izany.
Ireo tetikasa ireo, izay na­tomboka vao haingana, dia santionany amin’ireo hetsika maro hatramin’izay 40 taona nisian’ny fiaraha-miasa teo amin’ny USAID sy i Madaga­sikara.
Hatramin’ny taona 2018 dia nanokana vola mihoatra ny 394 tapitrisa dolara hanampiana ireo Malagasy miisa 1 500 000 any amin’ny faritra atsimo sy atsimo atsinanan’i Madagasikara, izay amin’ny alalan’ny fanomezana fanampiana ara-tsakafo sy tohana eo amin’ny sehatry ny fambolena ny amerikanina.
Niara-dia tamin’ny masoivoho amerikanina ny sekreteram-panjakana misahana ny fahaleovantena ara-tsakafo, Razanamahefa Tahiana, sy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Angovo sy akoranafo, Andriantsoa Thierry, ary ny tale jeneralin’ny USAID Madagasi­ka­ra, Michele Russell.

Tatiana A

Partager sur: