Hanomboka anio ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe sokajy «sénior» lehilahy. Hiady izany anaram-boninahitra izany ny Malagasy. Efa any an-toerana ireo mpilalao efatra mirahalahy, Racle, Tiana kely, Donald ary i Zigle.
Hitodika ao Zenith Dijon, Frantsa avokoa ny mason’ny mpitia fanatanjahantena rehetra manomboka anio, indrindra ireo mpankafy ny taranja tsipy kanetibe. Hotanterahina any an-toerana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, ho an’ny lehilahy “senior”. Firenena 47 no hiady izay ho lohany amin’ity ka anisan’izany, i Madagasikara.
Hisantatra ny fihaonana ny fifanintsanana eo amin’ny fifaninanana mitifitra “tir de precision”. Hisolo tena an’i Madagasikara amin’izany, Rakotondrainibe Daniel (Zigle). Hifampitana amin’ireo andrarezina maneran-tany ny tovolahy. Anisan’izany, ilay frantsay i Dylan Rocher tompondaka farany. Eo koa ilay beninoà i Bio sy i Diego Rizzi teratany Italianina, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo. Tafita amin’ny ampahefa-dalana ireo efatra voalohany manana isa ambony indrindra. Ny 12 tsara toerana kosa mbola manao famerenana ka izay efatra voalohany indray no manohy ny fifaninanana.
Aorian’izay vao handeha ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny olon-telo miaraka. Tsy mbola fantatra aloha izay ho firafitry ny ekipa malagasy amin’izany fa anjaran’ny mpanazatra ny mahita ny tanjaky ny mpilalao rehetra. Raha ny zava-misy ao anatin’ny heriny avokoa izy efatra mirahalahy, Racle, Tianakely, Donald ary i Zigle.
Mandringa ity fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ity, satria tsy anisan’ireo mandray anjara i Thaillande, tompondaka farany. Anton’ity fialana an-daharana ity, ny sazy 10 taona tsy fahazoana misahana tsipy kanetibe, nomen’ny federasiona iraisam-pirenena, an’i Thiroj Prapanpat filohan’ ny federasiona Thaillande.
Tompondaka