Soa ihany ! Anatin’ny fototra ijoroan’ny fanjakana ny fanatsarana sy ny fandraisana an-tanana ny sosialim-bahoaka. Porofon’izany ny be midina notarihin’ny filohan’ny Repoblika teny an-kianja omaly. Namaky lay ny tetikasa iray ho fitsimbinana ny tokantrano tena marefo izy. Tsy hijanona ho an’ny mponin’Antananarivo irery izay, fa hipaka hatrany amin’ny renivohi-paritany. Samy hahazo ny anjarany!
Taratry ny fahasahiranana goavana mianjady amin’ny vahoaka anefa izany. Tena mila vonjy rano vaky ny ankamaroan’ny Malagasy 25 tapitrisa mahery. Hita ho tena ramaka ilay mponina. Vokany raikitra ny fifanosehana teny Ampefiloha, omaly. Tonga tsy nantsoina na ireo tsy nisoratra anarana aza. Maika ny hifarombaka ilay vary iray gony. Aiza tokoa ro ahita? Anatin’izao maitso ahitra izao no misy mana milatsaka avy amin’ny mpitondra.
Zava-dehibe ny ezaka tahaka izao. Tsy ampy amahana ny olana sosialy mikiky ny fiarahamonina anefa izany, ankehitriny. Vahaolana maharitra, miainga avy amin’ny politikam-pampandrosoana tena matotra no ilaina. Tsy ampy ny vahaolana hamehana lava. Na ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka aza ho kofona ihany ny farany.
Mila mamboly kolontsaina tsy zatra toloram-potsiny ny fanjakana raha tena vonona hamongotra ny fahantrana. Mitaky ezaka sy finiavana avy amin’ny vahoaka ihany koa, mifanindran-dalana amin’izay. Tsy tokony hionona amin’ny indray manokona fa hiezaka ny hizaka tena ihany koa. Fanampiana sy fanentanana amin’ny fifohazam-panahy, ahay mihary no dikan’ny fanampiana!
Na izany aza, tsy maintsy ny Malagasy tsy vakivolo no mila miray saina sy mifanohana ihany koa raha te ho tafavoaka. Tsy misy zavatra azo tsy handrian’ilika. Tsy matsiro koa ny zavatra tsy nisasarana. Mila tonga saina ny “gasy”.
r.r