Nitondra fitaovana entina manadio ny toerana etsy amin’ ny akany Fialohana, Ex Madcap, Ambalavao Isotry, ny Fondation Axian, omaly. « Noho ny fahitana ny tsy fahatomombanan’ny fahadiovana izay miteraka tontolo marisarisa ho an’ireo olona monina ao no antony nanaovana izao hetsika izao”, hoy ny tomponandraikitra.
Ankoatra ny kifafa sy ny savony ary ny lamba entina manadio, nitondra fanafody famonoana bibikely toy ny parasy sy ny kongona izay mampijaly ireo olona ao ihany koa ny Fondation Axian.
Ambony baoritra, manao ladina an-tany, ireo olona no matory ao amin’io akany io. 400 mahery izy ireo no matory ao isan’alina ary mivoaka manao ny asa fitadiavana amin’ny atoandro, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra, Ihaga Mahery.
Santatra amin’ny fanampiana amin’ireo toerana miahy ny olona sahirana eto Antananarivo ihany no nataon’ny Axian, omaly, teny an-toerana, amin’izao ankatoky ny Noely izao. Hitohy eny amin’ny akany Manjarisoa 67ha sy any amin’ny foibe mitaiza zaza kamboty any Ambohimangakely izany aoriana kely.
Tatiana A