Baolina kitra, vehivavy – “Cosafa U17”: lavon’i Madagasikara 5 no ho 0 i Namibie

Nahazo vokatra tsara ny ekipam-pirenena malagasy Barea, vehivavy, omaly, tamin’ny andro voalohan’ny “Cosafa U17”. Manana isa telo izy ireo, ary miandry azy ireo i Malawi sy Afrika Atsimo.

Notanterahina omaly, tao amin’ny Kianja UJ So­weto Johannes­bourg, Afrika Atsimo, ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika, taranja baolina kitra, sokajy U17, vehivavy. Tsara fanombohana ny ekipa nasionaly malagasy, nomontsanin’ izy ireo tamin’ny isa 5 no ho 0 ny mpilalaon’i Namibie.

Raha hiverenana ny fifanandrinana, vao nanomboka fito minitra ny lalao, nahatafiditra baolina ny Malagasy rehefa nitavozavoza ny vodilaharan-dry zareo namibianina. Taorian’io, niakatra hatrany ny herijika ho an’ny Barea, vehivavy, nanakobana harato ihany izy ireo, ka lasa 4 no ho 0 ny isa teny amin’ny solaitrabe. Nentin’ny roa tonta niala sasatra io isa 4 no ho 0 io. Teo amin’ny fidirana faharoa, mbola nanindry ihany ireo vehivavy malagasy mpilalao. Nampian’izy ireo iray indray ny isa, ka niafara tamin’ny 5 no ho 0, ny fihaonana teo amin’izy ireo.
Manana isa telo, araka izany, ny Barea ary izy ireo no tsara toerana ao amin’ny vondrona B. Tsiahivina fa i Afrika Atsimo, mpampiantrano sy i Malawi ary Namibie no miray sokajy amin’ny Barea, vehivavy, mandritra ity fifanintsanana ity.

Hihaona amin’i Malawi
Hotontosaina rahampitso ny andro faharoan’ny “Cosafa U17”. Hifandona amin’i Mada­gasikara, amin’izany, ny ekipa voafantin’i Malawi. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, amin’ny 12 ora an­toandro, ora aty Madagasi­kara, no hanomboka ny fifanandrinan’ny roa tonta. Ny alatsinainy ho avy izao kosa no hifampitana amin’i Afrika Atsimo, mpampiantrano ny Barea, vehivavy, zandriny.

Fitia Randria

Partager sur: