Fondation H Ambatomena: Manasongadina ny foko Mikea i Andy Rasoloharivony

Miavaka ary tena zavakanto tokoa no harantin’i Andy Rasoloharivony. Mitondra fahalalana mahakasika ny foko Mikea mantsy izany, ankoatra ny maha fialamboly azy.

Tanterahina nanomboka omaly hatramin’ny 2 ja­noary 2025, eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny fampirantiana “Et ils gravèrent le sable”. Sehoranty ataon’ i Andy Rasoloharivony izy ity. Ao anatin’izany no hanehoana an-tsaripika ny andavanandrom-piainanan’ny mponina ao amin’ ny foko Mikea. Tanjon’ny hetsika ny hampahafantarana fa azo atao modely izy ireo amin’ny firaisankina sy fitazonana ny fomba amam-panao ary ny kolontsainy.
Foko mbola tena mitana ny maha izy azy ny Mikea amin’ izao fotoana izao. Na eo amin’ny fomba amam-panao maro samihafa izany na eo amin’ny kolontsaina. Azo ambara ho fakan-tahaka mihitsy izy ireo. Satria, na dia teo aza ny fanatontoloana sy ny fivoarana isan-karazany, tafapetraka hatrany ny fiaraha-miain’izy ireo. Tan­­din­domin-doza anefa izany ankehitriny. Izany indrindra no nanaovana izao fampirantiana “Et ils gravèrent le sable” izao. Ireto foko ireto izay voatery niala tamin’ny fonenana voajanahary nisy azy.
Nifidy ny fasika ny mpanakanto entina maneho izany zava-misy izany, ao anatin’ity kanto tontosainy ity. Nosokajiana ho tahakan’ny napetrak’ireo raiamandreny be teo anivon’ny Mikea izany tsiahy sy fomba amam-panao ary kolontsaina izany ka voafafa rehefa nandalo ny fanatontoloana sy ny fampandrosoana isan-karazany taty aoriana.
Mpanakanto miangaly ny saripika, anisan’ireo nandresy tamin’ny fifaninana “Prix Paritana 2024”, i Andy Rasoloharivony. Lehibe tao Antsirabe izy saingy tany amin’iny faritra Atsimo iny no fandehanany matetika. Ny taona 2016 izy no nanomboka nisehatra teo amin’ny saripika sy sarimihetsika. Nitsidika voalohany ny Mikea izy ny taona 2017 ary tao anatin’izany no naha­tsapany ny fananan’ity foko ity harena ara-kolontsaina miavaka.

Lin

Partager sur: