INDRAY MIJERY

Distrika 51 no hanaovana ezaka fanaovam-
baksiny manokana. Manentana ny rehetra, indrindra ireo ray aman-dreny, hitondra ny zaza 0-59 volana hatao vaksiny ny mpiasan’ny fahasalamana. Nanomboka ny
5 desambra lasa teo ka hatramin’ny alatsinainy ho avy izao ny hetsika. Ny vaksiny ihany no fomba tsara indrindra hiarovana ny ankizy amin’ny aretina miisa 11.

Voatendry ho tale jeneraly vaovaon’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro Randriamarolaza Luc Yannick Andréas, araka ny fampahafantarana nivoaka taorian’ny filankevitry ny minisitra. Nanao hetsika fito­konana ny mpiasa volana maromaro lasa nangataka ny fialan’ny tale jeneraly teo aloha.

Amboarina eny Anosisoa Ambohimanarina ny foibe ara-pahasalamana iadiana amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na ny maha vavy. Nijery ny fizotry ny asa ny PDS, Alexandre Georget, omaly. Ezahina ho vita ao anatin´ny roa volana ny trano. Fiaraha-miasan’ ny CUA sy ny AIMF no ahafana manao izany.

Hotokanana rahampitso, any Antsiranana, ny Island bateau clinique, araka ny tapaky ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo. Tanjon’ny tetikasa ny hanatsarana ny fisitrahana ny fahasalamana manakaiky vahoaka izay iarahana amin’ny Mercy Ministries. Ireo toerana misy seranan-tsambo no alehan’ny sambo hopitaly.

Partager sur: