Isaky ny vanim-potoana lehibe: Mahazo aina kely ny kalon’ny fahiny

« Kalon’ny fahiny, ho vazon’ny ankehitriny », hoy ny voalaza ao anatin’ny boky « Valihan’Ikaky ». Tanjona sa nofinofy ? Izay ilazana azy tsy maninona, fa toa maneho kisarintsarim-paniriana ihany izy eto.

Anisan’ny maro mpanatrika, indrindra any ivelan’i Mada­gasikara, ny lanonan’ny faran’ny taona ka ahitana mpanakanto mihira ny kalon’ny fahiny. Ho an’ny eto an-toerana indray, saika ahenoina azy io ny ankamaroan’ny fety aman-danonan’ny faran’ny taona sy ny fitsenana ny taona vaovao. Manakoako ny « Mifankatiava ihany », « Inona moa no ifandrafirafiana », sns. Tranga mety ho azo adika fa tsy vitan’ny Malagasy ny manadino tanteraka na ny manao tsinontsinona na manamaivana ity karazan-kira ity. Niverina eny am-bavan’ ny Malagasy ny kalon’ny fahiny. Mahazo aina kely izy io rehefa mandalo tonon-taona lehibe sy lanonana hafa toy ny fampakaram-bady, sns.
Rehefa andavanandro, mahamenatra ny tanora ny mihira na mihaino na mijery fampisehoana kalon’ny fahiny sy ny hiran’ ny omaly. Tsy manavanana ny ray aman-dreny ny mitarika tsikelikely ny sain’ny tanora ho resy lahatra fa hira naterak’ilay « fanahy maha olona » ny kalon’ny fahiny ka tsy hitsipaka ny soatoavina maha Malagasy.
Hitondra soa ny « Kalon’ny fahiny, ho vazon’ny ankehitriny »

Raha ho to, tokoa, ny « kalon’ny fahiny, ho vazon’ny ankehitriny », ho tafaverina ny maha lalim-pandinihana ny Mala­gasy. Hiaina ny fahendrena nananany izy. Hatahotra ny tody, tsiny, sns. Tsy ho sahy hiboridandridana manoloana ny olom-pady ny tanora. Hanaja fatratra ny tenany sy ny teniny ary ny momba azy manontolo. Ampahany amin’ny soa ho azo avy amin’ny hiainana indray ny kalon’ny fahiny ireo.
… Tranga mahavariana. Raha ireo hira kalon’ny fahiny tany amin’ny taona 1930 – 1940 no kaloina amin’izao vanim-potoana izao, tian’ny Malagasy. Raha mamorona tahaka ireny ny ankehitriny, tsy tafapaka loatra any amin’izay maheno izany. Mbola tena matanjaka ny hasina ananan’ny « fanahy maha olona » namoronana ny kalon’ny fahiny tamin’izany fotoana izany?
Mila mamorona ny mpamorona. Mihira ny mpihira. Mi­ten­dry ny mpitendry zavamaneno. Mandihy ny mpandihy dihy malagasy. Mijery fampisehoana ny mpitia ny kanto… Samy mandray ny anjara manandrify azy avy ny tsirairay vao ho vazon’ny ankehitriny ny kalon’ny fahiny!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: