MDAT : Vaindohan-draharaha ny ady amin’ny kolikoly amin’ny fangalaran-tany

Nanomboka omaly ny varavarana misokatra ho an’ny ady amin’ny kolikoly amin’ny fangalaran-tany. Hataon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany ho vaindohan-draharaha izany.

«Zava-dehibe ny fiaraha-miasa mba ha­metrahana ko­lontsaina mangarahara amin’ny asa atao andavanandro. Ny kolikoly amin’ny fangalaran-tany sy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena voajanahary dia mitondra voka-dratsy manakana ny fampandrosoana lovainjafy”, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MDAT), Randriamananjara Sandrina. Tamin’ny fanokafana ny varavarana misokatra miaraka amin’ny Bianco sy ny mpisehatra hafa, teny Anosy, omaly, no nambarany izany. Hetsika fanombohana ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny kolikoly amin’ny 9 desambra sy ny faha-20 taonan’ny Bianco izany. Ho fampiharana ny politika anatiny amin’ny ady amin’ny kolikoly, ilaina ny fametrahana fitaleavana misahana ny fahaiza-mitantana ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny minisitera. An-dalam-pamolavolana ny lalàna mamaritra ny sazy amin’ny fangalarana tany ny MDAT sy ny minisiteran’ny Fitsarana.

Raha ny antontanisan’ny Bianco, mbola anisan’ny se­hatrasam-panjakana itarainan’ny olona momba ny kolikoly ny fananan-tany, ny fitsarana, ny fitantanana harena voajanahary, raha ny nambaran’ny tale jeneralin’ny Bianco, Razakamanantsoa Gaby Nestor. Mbola tsy ampy ny fahafantaran’ny vahoaka ny zony sy ny andraikiny ary izay ilaina amin’ny fikarakarana tany. Misy ny tambajotra fanodinkodinana sy fangalarana na fandravana tany. Tafiditra amin’izany na olon-tsotra, na mpandraharaha, na mpiasam-panjakana… Manoloana izany, mijoro ireo rafitra rehetra iadiana amin’ny kolikoly ary miara-miasa tanteraka amin’ireo minisitera sy sampandraharaha voakasika mba hamongorana ireo tambajotra mambotry firenena ireo.

R. Nd.

Partager sur: