Miantso ireo kandidà ny OSCEAH : “Andraikitry ny ben’ny Tanàna ny hisitrahana rano”

“Raha ny lalàna misy eto amintsika, ny ben’ny Tanàna na ny kaominina no tomponandraikitra voalohany amin’ny fametrahana fotodrafitrasa amin’ny rano ary ny fidiovana sy fanadiovana eny ifotony”, hoy ny fanairan’ny fiarahamonina sivily Organisation de la société civile eau, assainissement et hygiène (OSCEAH), notarihin’ny filohany, An­driamitandrina Naivosoa, teny Anosy, omaly. Zo fototra ny rano. Manan-jo hisitraka izany rano madio fisotro izany ny olona tsirairay avy. Noho izany, manana andraikitra ny ben’ny Tanàna amin’ny fitantanana mba hahazoan’ny olona misitraka ny zony amin’izany.
Amin’izao fifidianana ben’ny Tanàna izao, miantso ireo kandidà hanome lanja ny tontolon’ny rano ary fidiovana sy fahadiovana, indrindra ny mba hisian’ny haitantana eo amin’izany sehatra izany izy ireo. Ao amin’ny sehatry ny fitantanana indrindra no tena mila atao. Hanaovana fanairana an’ireo tomponandraikitra izany mba hahazoan’ny mpiara-belona na ny mponina rehetra misitraka rano madio fisotro sy ireo tolotra rehetra momba ny fidiovana sy ny fanadiovana.
Manentana sy manetsika an’ireo ho ben’ny Tanàna mba hanao ho vaindohan-draharaha sy laharam-pahamehana ny momba ny rano any amin’ny kaominina iandraiketan’izy ireo tsirairay avy, indrindra amin’izao fifidianana ben’ny Tanàna izao. Tian’ny fikambanana ny hanaovan’izy ireo karazana fanomezan-toky ary harahin’asa: inona no heverin’izy ireo hahazoana misitraka rano?

R. Nd.

Partager sur: