Miarinarivo : lehilahy kilan’ny afo tao an-tranony

Taolana sisa! Maty tsy nisy namantarana azy intsony ny raim-pianakaviana iray may niaraka tamin’ny tranony ao amin’ny fokontany Ambatomanjaka, distrikan’i Miarinarivo, ny 4 desambra teo. May ny trano fonenany tamin’io fotoana io saingy tsy nisy nahatsikaritra izany ny fianakaviany. Naharay tatitra rahateo momba izany ny zandary ka nidina haingana tany an-toerana. Voamarina tokoa ny fisian’ny trano tokana amina baiboho tao Ambany Atsimo, fokontany Ambatoman­jaka. Araka ny fahitan’ny olona azy, misy olona iray may niaraka tamin’ny trano. Nanao fizahana ny zandary niaraka tamin’ ny dokotera avy ao amin’ny CSB2 ka hita fa may tokoa ny trano fonenan’ilay raim-pianakaviana niharam-boina. Hita nandritra ny fitsirihana nataon’ny dokotera fa efa poti-taolana sisa ny nahafantarana fa olona io maty io. Araka ny voalazan’ny zanany, ny zoma hariva izy no hita farany. Ny alarobia kosa vao nandeha tany amin’ny toeram-ponenany satria nisy olona niteny fa may ny tranon’ny dadany. Tsy fantatra aloha hatreto izay antony nahatonga ny fahamaizana fa araka ny fizahana, efa ny alahady hariva na alatsinainy no nahamay ny trano. Nomena ny fianakaviany ireo taolana sisa tsy may taorian’ny fizahana. Mitohy kosa ny fanadihadiana ataon’ny zandary momba ity raharaha ity.

J.C

Partager sur: