Raha manonona anarana tanora malagasy mpanakanto malaza amin’izao fotoana, ao anatin’ny 5 voalohany i Ceasar. Mbola manamafy izany lazany izany ny nisafidianan’ny Yas Madagasikara azy ho ambasadaoron’ity orinasan-tserasera ity. Tontosa omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Yas Ankorondrano, ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny fiaraha-miasa vaovao.
« Mitombo iray izao ny fianakavian’ny Yas Madagascar. Miezaka hatrany izahay mampiroborobo ny kanto eto Madagasikara », hoy ny nambaran’i Henintsoa Randrianjatovonarivo, tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ity orinasa ity. « Tsy nampoiziko izy ity ka tena faly aho. Niainga tamin’ny avy any ambany indrindra aho, ka nandeha tsimoramora teny. Ny taona 2019 no nanomboka fantatra izany Ceasar izany, kanefa tsy nieritreritra ny hilahatra amin’ireo zoky izay efa ambasadaoro, indray andro any”, hoy kosa i Ceasar.
I Ceasar no ambasadaoro voalohan’ny Yas Madagasikara, amin’izy niova anarana izao. Efa nisy an-dry Tence Mena, Stéphanie, Lico Kininike, Dadi Love, Oladad, Shyn ary Denise talohan’izay. “Amin’ ny maha fianakaviambe azy, misolo tena ny Yas amina hetsika ara-javakanto ny masoivoho toa an’i Ceasar. Misy ny fiaraha-miasa akaiky ho fanatrarana vina sy tanjona iray. Miezaka izahay manampy ny mpanakanto amin’izay ilainy, ary izy kosa misolo tena any amin’izay alehany sy hataony. Fitia mifamaly, araka izany”, hoy ihany ny fanazavana. Mazava loatra fa tsy maintsy hisy ny hetsika ara-javakanto iarahan’ny Yas sy i Ceasar. Tsy mbola nahazoana andinindininy anefa izany, hatreto.
Zo ny Aina