Naiditra am-ponja eny Antanimora : Telo lahy nahatrarana Skunk sy Métamphétamine

Niakatra fampanoavana, omaly, naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora, ireo telo lahy voarohirohy tamin’ny fanaovana trafikana zava-mahadomelina mahery vaika. Raha ny vaovao voaray avy amin’ny polisy, lehilahy roa voasambotra tany Antsaha­meva, izay nahitana rongony “Skunk” 30 fonosana, ary iray hafa kosa tratra tao Ankadim­bahoaka, izay nahitana 5 grama amin’ny “Méthamphé­tamine”. Raha ny angom-baovao ha­trany, heverina ho tompon’andraikitra amin’ny fivarotana sy fanaparitahana zava-mahadomelina mahery vaika ireo olona voasambotra ireo. Mari­hina, anisan’ny miteraka fahasimban-tsaina ho an’ny tanora ny fidorohana tafahoatra ireo karazan-java-mahadomelina ireo. Manamafy hatrany ny ezaka ataony ny polisy amin’ ny fandraisana andraikitra hamongorana ireo tsimatimanota amin’ny fanapariahana io zava-mahadomelina io. Hama­fisina ny fanaraha-maso, fi­samborana, ireo mpivarotra sy mpanjifa, ary fanombohana hetsika vaovao mankany amin’ ny fanabeazana sy fampahafantarana ny voka-dratsin’ny zava-mahadomelina.

Yves R. (Mpianadraharaha)

Partager sur: