Maty nandritra ny fifampitifirana tamin’ny zandary ny lehilahy 15, tany Maintirano. Voalaza fa mpanara-dia jiolahy nivadika ho mpandroba sy mpanakan-dalana izy ireo.
Maty lavon’ny balan’ny zandary tao Antanimena -Antanandava, distrikan’i Maintirano, ny talata 4 desambra teo, ny lehilahy miisa 15. Lehiben’ny fokontany ny iray. Nifampitifitra tamin’ny mpitandro filaminana nandritra ny andiny iray mahery izy ireo. Araka ny fampitam-baovao, mpanara-dia omby very avy any amin’ny tanànan’ i Betanatanana ireto vatan-dehilahy. Nivadika ho olon-dratsy kosa ka naka an-keriny ombin’olona sy nandroba fiara nandalo.
Ny talata atoandro no nigadona tao amin’ny tanàn’Antanandava, nisehoan’ny fifampitifirana ny mpanara-dia, izay very omby. Nijanona tao an-toerana ry zareo saingy tsy nampandre ny mpitandro filaminana. Nitarika ity andian’ olona ity rahateo ny lehiben’ny fokontany.
“Teo amin’io toerana io no nahitan’izy ireo ny dian’omby farany” , hoy ny loharanom-baovao ao an-toerana. Ny mpanara-dia izay efa nanahy hatry ny ela fa misy mpangalatra omby ao Antanandava. Vokany, nandroba ny entana tao amina tokantrano iray ry zareo. Tsy vitan’izany, fa nahita ombin’olona hafa noroahina mpiarakandro hody izy ireo dia natao amboletra nentiny nanaraka azy. Mbola norahonan’ity andian’olona mpanara-dia ny fokonolona ny harivan’ ny talata 03 desambra. Tsy nisy nahasahy nanohitra na nanaraka ny mponina.
Fiara voatafika
Ankoatra izay, mbola nisy fiara iray nandalo no voalaza fa voaroban’andian’olona tao an-toerana. Nampandre ny mpitandro filaminana ny lasibatra. Nanamafy ny asa ratsy ny mpandeha rehetra tao anatin’ny fiara. Nilaza ihany koa ireto farany fa nanapoapoaka basy nanerana ny tanàna ilay andiana vatan-dehilahy mitam-basy. Nidina ifotony, nijery ny zava-nitranga ny zandary sy ny miaramilan’ny Tafika.
Nifanenana teny an-dalana ny mpitandro filaminana sy ireo andian’olona. Nisy ny sakana natao kanefa nanohitra ry zalahy sivily. Raikitra ny fifampitifirana. Vokany, 15 lahy lavon’ny bala. Nandositra kosa ny namany!
Tsiferana R.