Hanainga ny faran’ity herinandro ity, hihazo an’i La Réunion, ny atleta malagasy hiatrika ny fifaninanana « Saint Paul Fight Night », taranja Kick boxing. Malagasy mpikatroka 7 mianadahy (5 lahy sy 2 vavy) no hisolo tena an’i Madagasikara amin’izany, izay tarihin’ny Lion Force. Efa nanoman-tena mafy izy ireo.
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia lasa teo, ny fanohanan’ny fanjakana ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja kick boxing. Fifaninanana hatao ao Johannesburg, Afrika Atsimo, ny 9 hatramin’ny 12 desambra izao. Atleta 9 mianadahy no hisolo tena an’i Madagasikara amin’izany.
Hotanterahina ny 14 desambra izao, ao amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Pancrace. Hanomboka amin’ny 8 ora maraina ny fifaninanana. Ny sabotsy 7 desambra izao kosa no hanaovana ny fandanjana ireo mpikatroka hifaninana amin’ity fifaninanam-pirenena ity.
Anisan’ny Malagasy mpitsara tokana nitsara ny lalao nandritra ny fiadiana ny amboaran’i « Afrika 3×3 » farany teo, teny Mahamasina, Andriamanantsoa Tojonirina Harilala. Tsy vao sambany no nitsara lalao iraisam-pirenena toy izao izy. Efa nandritra ny 4 taona no niseharany tamin’ny fitsarana lalao.