VAOVAO TAMBATRA

Miditra amin’ny fandrakofana godirao ny lalana eo amin’ny fiolanana Anosibe Namontana hatrany Soanierana. Mirefy 2,11 km ity ampahan-dalana ity, ataon’ny orinasa Colas. Nohatsaraina ny endriny sady nohamafisina, entina hanamora ny fifamoivoizana eny an-toerana.

Tohanan’ny fiaraha-miasa amerikanina, Usaid, ny « Solar Hub », foibe herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro, napetraka any Ambo­himandroso Manakara. Fotodrafitrasa ahafahana mamokatra, toy ny fampiasana milina fanjairana ho an’ny vehivavy, fitotoam-bokatra, fitahirizam-bokatra, jiro ao an-tokantrano, sns.

Miantoka ny fampandrosoana ny toekarena aty amin’ny ranomasimbe Indianina ny fizahantany. Mitaky fampiroboroboana ny Nosy Lavanila izany mba hananganana tambajotra matanjaka sy hanamora ny fifanakalozana. Tafiditra ao anatin’izay ny fanamafisana ny fiarovana ny fitaterana an-dranomasina eo amin’ny nosy aty amin’ny faritra.

Antoky ny fampandehanana sy mampiroborobo ny fandraharahana eto Madagasikara ny mpanjifa. Manan-danja sy manana toerana goavana eo amin’ny sehatry ny toekarena izy ireny ka tokony hojerena manokana. Mila hatsaraina ny fahefa-mividin’ny mpanjifa ahafahana mampandroso ny toekarena sy ny tontolon’ny fandraharahana ary ny firenena.

Partager sur: