Akany Fialofana Ambalavao Isotry: Mpibata entana sy mpivarotra harona plastika ny ankamaroany

Toerana itobian’ireo tsy manan-kialofana ny akany Fialofana etsy Isotry. Olona tena sahirana mivelona amin’ny asa an-tselika, misakafo tapakibo na mandry fotsy mihitsy aza no ao.

Olona 400 mahery no matory isan’alina, ao amin’ny akany Fialofana, ex Madcap, etsy Ambalavao Isotry, raha ny fanazavana nentin’ny lehiben’ny akany, Ihaga Mahery. Vehivavy mananontena ny ankamaroan’izy ireo.
Mivelona amin’ny fivarotana harona plastika mandehandeha ny ankamaroan’ireo vehivavy ary mpibata entana kosa ny lehilahy. Misy ireo mangataka an-dalambe… Ny sasany kosa miasa aman’olona ihany saingy mody ao isaky ny faran’ny herinandro.
Olana ny tsy fananan’ireo olona karapanondro ka tsy ahafahany manana asa fototra. Na ny asa manosika kalesa sy manao asa an-trano aza mila karapanondro kanefa maro amin’ireo olona ao no tsy manana izany akory.
Avy any Antanifotsy sy Ambositra ary Antsirabe no maro amin’ireo olona mipetraka ao amin’ny akany. Noho ny tsy fisian’ny asa fivelomana azo antoka any amin’ireo toerana niaviany no nahatonga azy niakatra aty Antananarivo. Teo koa ny krizy nolalovan’ny firenena namotika ny fihariana tanteraka.
Amin’ny hariva, samy mitondra baoritra ho solon’ny kidoro hatoriana ary manao dabo-tany avokoa. Mamely ny bibikely toy ny kongona sy ny parasy noho ny tsy fahampian’ny fahadiovana, raha ny fitarainan’ireo olona matory ao. Samy mivoaka mitady izay ho harapany kosa ny maraina.
Misy ny fifampifehezana ao amin’ny akany mba tsy hisian’ny gaboraraka. Tsy azo atao ny mimamo sy midoroka zava-mahadomelina mba tsy hisian’ny ady sy fifamaliana, ny mifamono….
Amin’izao fotoana,mamely ny ankizy ny aretina nendram-boalavo ary mifamindra am-pitoerana ao izy ireo.
Efa nisy kosa ny olona nonina tao ary efa lasa nanambady teratany vahiny. Ny sasany tafarina tamin’ny asa fivelomany dia efa nikopak’elatra…

Tatiana A

Partager sur: