“Zotram-pifidianana tsara omana, azo antoka, andraisan’ny rehetra anjara, antoky ny fitoniana sy ny filaminana”, hoy ny filohan’ny Ceni, Dama Arséne, omaly, nandritra ny lahateniny ho an’ny olom-pirenena sy ny mpifidy. Notsindriny tao anatin’izany ihany koa ny fahavononan’ny Ceni amin’ny fanatanterahana ny andraikitra manandrify azy ao anatin’izao zotram-pifidianana izao.
Miisa 68 479 ireo hitsivolana voarain’ny Ceni manerana ny Nosy mahakasika ny fangatahana fidirana ao anaty lisi-pifidianana. Efa ao anatin’ny fampidirana izany anarana izany ny avy eo anivon’ny Ceni amin’izao. Mifanindry andalana amin’izay ihany koa ny fanesorana ireo “doublant” ao anaty lisi-pifidianana.
Hihamafy hatrany ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy i Chine, araka ny nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Rasata Rafaravavitafika. Nasongadin’ny minisitra manokana ireo tetikasa lehibe maneho ny fanamafisam-piaraha-miasa sinoa sy Malagasy. Anisan’izany ny eo amin’ny fivoarana ara-tsiansa, ny sehatry ny fahasalamana ary ny maha olona sy ny toekarena.
Mandray anjara amin’ny hetsika 16 Andro hiadiana amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy fanajarina ny tany. Nisy ny famelabelaran-kevitra niompana tamin’ny « Fanentanana mba hampitomboana ny famatsiam-bola iraisam-pirenena ka hanohanana ny fahazoan’ireo vehivavy karatany ary hahatongavany amin’ny fahaleovantena », omaly, teny amin’ny Cenacle Amparibe.