Fiaraha-miasa amin’ny any ivelany : hanampy amin’ny fanatanterahana izay laharam-pahamehana i Chine

Mitohy hatrany ny fiaraha-miasan’ny fitondram-panjakana amin’ny any ivelany. Tanjona ao amin’izany ny fanatanterahana ireo tetikasa laharam-pahamehana entina mamaha ny olan’ny mponina.

Nisy ny fihaonana manokana teo amin’ny filoha Rajoelina Andry sy i Shen Xiaoming, Secrétaire du Comité du PCCC ho an’ny faritr’i Hunan, ao Chine, oma­ly, teny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra. Mana­mafy orina ny fanambaran’ny filoha sinoa, Xi Jin Ping, hiara-dalana amin’ny fanohanana an’i Madagasikara amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa laharam-pahamehan’i Mada­gasi­kara izao fihaonana izao. Nanokatra fiaraha-miasa amin’ny sehatra goavana sy marolafy ny fihaonan’ny filoha Rajoelina Andry sy ny filoha sinoa Xi Jin Ping, nandritra ny « Focac 2024 » teo, tao Chine.
Nohamafisin’ny filoham-pirenena malagasy nandritra ny fihaonana ireo tetikasa tena laharam-pahamehan’i Ma­dagasikara izay azo iarahana amin’i Chine. Ahafahana manatanteraka ireo andry fototry ny fampandrosoana telo: ny fampivoarana ny maha olona, ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fanjakana tsara tantana izany. Anisan’ izany ny fivadihana amin’ny fampiasana angovo azo havaozina eto Madagasikara, ny fanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo amin’ny alalan’ny fambolena sy ny fametrahana fotodrafitrasam-pampandrosoana. Voaresaka nandritra ny fihaonana koa ny tokony hanatanterahina haingana ny tetikasa “Medium ring Tana” izay entina hanatsarana sy hampitomboana ny tahan’ny fanomezana herinaratra.
Vonona hiara-hiasa amin’ ny faritr’i Hunan ihany koa ny fanjakana malagasy amin’ny fanamafisana traikefa sy fahaiza-manao eo amin’ity sehatry ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany. Tanjon’ny fanjakana malagasy ny hanokafana ny habakakabak’i Ma­da­gasikara mba hampitomboana ny sidina sy ny isan’ny mpizahatany ho tonga eto.

Lin

Partager sur: