Fihaonamben’ny Ceo Summit 2024 : Voafaritra ny paikady hananganana tsena iombonana

Fantatra, omaly, nandritra ny famaranana ny fihaonamben’ny mpandraharaha, “Ceo Summit”, andiany voalohany, ireo tolo-kevitra hananganana ny tsena iombonana aty amin’ ny ranomasimbe In­diani­na. Vahin-kevitra miisa dimy, vato fototra hanatsarana ny toekarena iombonana sy ho amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana aty amin’ny faritra. « Hapetraka ny label Made in Indian Ocean, hanomezan-danja ny vokatra aty an-toerana», hoy ny filohan’ny sendikan’ny indostria eto Ma­dagasikara (Sim), Rasami­manana Tiana. Hamoraina ihany koa ny fivezivezen’ireo mpandraharaha sy tompona orinasa aty amin’ ny ranomasimbe Indianina hanatsarana ny fifanakalozana. Hamoraina ihany koa ny fivezivezen’ireo mpandraharaha sy tompona orinasa aty amin’ny faritra hanatsarana ny fifanakalozana. Hamafi­sina ny fifandraisana ana habakabaka sy an-dranomasina eo amin’ireo nosy, hanasongadinana ny faritry ny ranomasimbe Indianina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Firaisankina
Omen-danja ny fandraisan’andraikitry ny vehivavy, izay andry iankinan’ny fampandrosoana. Hampanaraham-penitra sy hanana kalitao miavaka ihany koa ny vokatra avy eto amin’ny faritra. Havaozina ny paikady « îles vanilles » hampandrosoana ny fizahantany. Hojerena manokana ny hampaharitra izany, ny andraisan’ny rehetra anjara, hiteraka tombontsoa sy mampidi-bola.
Nilaza ny mpanorina ny Agence, ny BeCom, sady mpikarakara ny hetsika Ceo Summit, Rakotomalala Tantely, fa efa manana vina ny mpikarakara ny hampivelatra hatrany ny karazana fihaonana toy izao. Manome fotoana sahady izy ireo amin’ny andiany manaraka, ny taona 2025.

Henintsoa Hani

Partager sur: