Fihotsahan’ny tany sy vato: Tokantrano 400 tandindomin-doza

Tsy miova ireo toerana misy vato atahorana sy tany malemy ahina hihotsaka, arakaraka ny habetsahan’ny orana. Natomboka ny fametrahana ny saina mena rehefa nivaly ny fanadihadiana avy amin’ny Ioga.

Tsato-kazo misy saina mena 500 no napetraka amin’ny toerana rehetra mety ahina hihotsaka mandritra ny fotoam-pahavaratra 2024-2025 eny amin’ny fokontany fito (Tsarafaritra, Ambahavadimitafo, Ambaninampamarinana, Manjakamiadana, Ambohipotsy, Faravohitra) eny amin’ny faritra avo eto Antananarivo. “Trano 400, ahitana olona 2 000, eo ho eo no tandindomin-doza amin’ny fihetsehan’ny vato sy ny fihotsahan’ny tany malemy rehefa hirotsaka ny orana”, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, Elack Andriakaja Olivier.
Miara-miasa ny BNGRC sy ny Foibe famantarana ny toetry ny andro ary ny ivontoerana mijery ny fihetsehan’ny tany (Ioga). Manao vinavina ny meteo amin’ny habetsahan’ny rotsakorana ary manao fanadihadiana ny Ioga. Manome toromarika izy ireo momba ny toe-tany mifanaraka amin’ny vinan’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro. Manana teknisianina expert en géorisque, Andriamirado Lalah koa ny BNGRC mifanampy amin’ny Ioga mamaritra ny sarintany misy ny toerana tandindomin-doza.
Anjaran’ny fanjakana ny mampahafantatra ny olona ny tandindon-doza amin’ny toerana hametrahana ny saina. Tokony handray fepetra ny olona manodidina ny saina ka manatona ny sefo fokontany sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra hijerena ny vahaolana.

Hiditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana
Mifarimbona amin’ny fitantanana ny fampihenana ny tandindon-doza ho an’ny toerana ambony ahina hihotsaka sy ny faritra ambany mitaty ny vato ny BNGRC, ny CUA, ny mpamonjy voina, ny Corps de protéction civile, ny miaramila, ny équipe local de sécours ary ny Croix Rouge Malagasy.
Tao anatin’ny dimy taona no efa fantatra fa tsy azo hipetrahana intsony eny Ambonin’Ampamarinana. “Raha tonga amin’ny filazana mena ny fampitandremana avy amin’ny Ioga, miditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana manala miaraka amin’ny hery ny olona mbola monina amin’ny faritra tandindomin-doza satria ambony ny aina”, hoy ny talen’ny fanadihadiana ny tandindon-doza sy ny loza ao amin’ny BNGRC, Raholinarivo Paolo.

Vonjy

Partager sur: