Fitrandrahana: Najoro ny laboratoara hitily ny ambanin’ny tany

Notokanana ny 5 desambra teo ny sampandraharaha, laboratoara eny Ivato, hisahana ny fanaovana andrana ny any ambanin’ny tany, ataon’ny orinasa sinoa, Hunan eto Madagasikara. Hisahana ny aty Afrika ihany koa ity foibe napetraka eto amintsika ity. Tanteraka izany taorian’ny dia nataon’ny filoha Rajoelina Andry tany Hunan Sina, fotoana vitsy lasa izay. Hisahana ny fitiliana sy fitsirihana ary ny andrana ny karazana singa, dingana tsy maintsy arahina amin’ny asa fikarohana harena an-kibon’ny tany ity laboratoara ity.
Nilaza ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Herindrainy, fa tombony lehibe ho an’i Madagasikara ny fananana ity laboratoara arifomba sy avo lenta ity, hitiliana ny singa sy akora, toy ny tany, ny rano, ny vato, sns.
Manan-danja ny fananana antontan-kevitra sy antontam-baovao amin’ity sehatra ambanin’ny tany ity. Dingana manaraka ny hanavaozana ny fifanarahana fiaraha-miasa mahakasika ny harena an-kibon’ny tany ho an’i Madagasikara, manaraka ny fenitra iraisam-pirenena.

Njaka A.

Partager sur: