Fitiliana ireo talenta vao. Ary tena mahomby matoa tojo amin’ny andiany faha-5 sahady ny fifaninanan-kira «Graine de Star», karakarain’ny Taxi-Be Madagascar. Tontosa ny alin’ny alakamisy teo, tetsy amin’ny Le Taxi-Be Antanimena, ny famaranana ny fifaninanana « Graine de Star », andiany faha-5, tamin’ity. Nivoaka ho mpandresy tamin’ity efa-bavy niatrika ny famaranana ity, i Pactella, avy any Nosy Be. Sahirana anefa izy vao nibata ny amboara, satria samy nanome ny fara fahaizany ihany koa i Poussie avy any Nosy Be, Zoubedah avy any Toamasina ary i Soafara, avy eto Antananarivo.
Sahirana toy izany ireo mpitsara, nahitana an’ireo mpanakanto efa fanta-daza toa an-dry Stéphanie, Lianah, Malm Martiora ary i Big MJ. Samy nanome torohevitra ho azy efa-bavy ny hirosoan’izy ireo lalindalina kokoa amin’ny tontolon’ny mozika ireto mpanakanto ireto. Nampanantena ihany koa ny hitari-dalana mba hiakaran’izy ireo amin’ny laza vetivety.
Toeram-pialamboly misy amina faritra maro eto Madagasikara ny Taxi-Be Madagascar. Ankoatra izay anefa, manome sehatra ireo talenta vao ihany koa ity vondron’orinasa ity. Maro ireo tanora manan-talenta tsikaritra mandray anjara amin’ireny karaoke ireny, ka fanomezana tosika ho azy ireo hiakatra amina sehatra ambonimbony kokoa ilay fifaninanan-kira « Graine de star ». Tamin’ny 2014 no nisy ny andiany voalohany, saingy tsy tontosa isan-taona izany noho ny toe-draharaha nisy. Tamin’ity kosa, maro ireo tanora liana, satria aman-jatony ireo nisoratra anarana. Ny 32 tamin’ireo isaky ny toerana nisy ny fifaninanana no notazomina hanohy. Natao ny alakamisy 21 novambra ny dingana mialoha ny farany isam-paritra, ka izy efa-bavy ireo no nivoaka ho solontenan’ny faritra niaviany, ary efa samy nahazo ny loka 2 tapitrisa Ar avy.
Zo ny Aina