Tsara fanombohana ny solontena malagasy miatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, Zone IV, taranja lomano, atao any Namibie. Medaly volamena iray sy alimo iray no azon’ny Malagasy mpilomano hatreto.
Niditra an-tsehatra ny alarobia lasa teo ny Malagasy mpilomano ao anatin’ny fiadiana ny tompondakan’i “Afrika Zone IV”, taranja lomano, tanterahina any Namibie. Fahombiazana avy hatrany no norombahin’ny solontena malagasy, tamin’ny fidirana ny andro voalohany. Nahazo medaly volamena teo amin’ny 100 m brasse (11-12 taona), i Glorio Precious Koty Sampaniaina. Tamin’ny fe-potoana 1:16:19 no nahavitany ny 100 m, teo alohan’ny mpilomano Namibianina sy Maorisianina. Vokatra tena tsara ity azon’i Glorio ity satria nahavita nihoatra ny mpilomano mpampiantrano mihitsy izy tamin’izao fiadiana ny tompondakan’i Afrika, zone IV, izao.
Ankoatra izay, anisan’ny Malagasy mpilomano efa nifaninana ihany koa Rakotonanahary Océane, izay milaravinahitra any Dubai. Vokatra tsara ihany koa no azony, izy izay nandrombaka ny medaly alimo, teo amin’ny 50 m Brasse (13-14 taona), izay vitany tamin’ny fe-potoana 37:14.
Mbola mitohy ny fifaninanana ary samy mikendry ny hahazoana medaly ny Malagasy mpilomano mbola hifaninana. Tsiahivina fa atleta 10 mianadahy no solontena an’i Madagasikara, amin’ity fifaninanana ity, ahitana 6 lahy sy 4 vavy. Mbola hifaninana Rakotobe Tendry Tiavina, Warren Nathan Indrano Chan, Del Cielo Chrysten Koty Germic Regallo, Hariela Ryan Rakoto ary Ramiakatrarivo Ando Francky, eo amin’ny sokajy lehilahy. Eo amin’ny sokajy vehivavy kosa, mbola hifaninana ihany koa Andrianaho Marie-Ange Praxas, Ratefinjanahary Ianitriniala Loane ary Andrianarison Haingoniala Hannah. Mbola handray anjara amin’ny hazakazaka hafa ihany koa i Glorio sy i Océane, araka ny fandaharam-potoana.
Tsiahivina fa atleta manana ny maha izy azy avokoa ireto mandrafitra ny delegasiona malagasy ireto raha ny lalana nodiavin’izy ireo ka mbola antenaina ny hitomboan’ny medaly azon’ny Malagasy. Mbola hitohy hatramin’ny 10 desambra ny fifaninanana.
Mi.Raz