Namoy ny ainy vokatry ny ratra nahazo azy nateraky ny lozam-pifamoivoizana ny raim-pianakaviana iray tao Toamasina, omaly.
Mpandraharaha iray ao amin’ny faritra Atsinanana matin’ny lozam-pifamoivoizana, tao Cité Valpinson, tampon-tanànan’i Toamasina, omaly tolakandro tamin’ny 1 ora sy sasany. Nandeha moto io raim-pianakaviana io. Nifanindry an-dalana taminy anefa ny kamiao lehibe iray. Tsy nisy nanampo na inona na inona ny mpamily io fiarabe io sy ilay mpitondra moto. Mifamezivezy amin’io toerana io ny posiposy io. Nahatsiaro tena ho voatsembatsembana, niala ny posy tao amin’ ny an-kavanany ka namily izany ny mpitondra kamiao. Nisy moto anefa tao amin’ny an-kavanan’io fiarabe io. Tsy hitan’ny mpamily ity farany ilay nitaingina kodiaran-droa ka voafaoka. Nianjera tamin’ ny arabe, tafiditra tao amin’ny kodiarana aoriana havanan’ny kamiao ny lohan’ny moto. Maty tsy tra-drano ilay nitondra azy. Nanao taingin-droa izy ireo, araka ny fanampim-panazavana voaray.
Mateti-pitranga
Vao omaly, mpianatry ny CEG iray niharan’ny lozam-pifamoivoizana tao Toamasina. Gaboraraka ny fifamoivoizana ao an-toerana ka samy manao izay saim-pantany ny mpampiasa lalana. Mifamezivezy tsy misy manaja ny lalan’ny fifamoivoizana izy ireo, araka ny loharanom-baovao. Mitaky fandraisana andraikitra hentitra eo anivon’ny tomponandraikitra ny fisorohana izany. Ankoatra io, ilaina ny fahatsapan-tenan’ny tsirairay samy handray ny anjara tandrify azy manoloana ny fampiasana arabe.
Sajo