Efa avy ny orana! Manomboka mamono ny tany sy ny vato mihotsaka. Tokony samy haka ny fepetra mifanandrify aminy ny tsirairay. Nivoaka io ny toromarika avy amin’ny mpisoroka ny loza. Mila miala ny mponina eny Amboninampamarinana. Efa taona maromaro anie ry zareo no voalaza fa tsy azo ipetrahana intsony eny ambony eny e! Efa loza mihatra fa tsy mba manambana akory.
Ekena fa sarotra ny mitady trano. Ny hoenti-manana tsy ampy. Toeram-ponenana rahateo efa nampiraikitra ny fo. Tsy vitsy ireo nanorina sy nandany herim-po vao natahafatsangana na nahavidy. Sodokan’ny haavon’ny tanàna, ny rivotra madio ary ny fahalaviran’ny loto avy eny ambany tanàna. Roboka ny afaka nampiasa vola, tsy mahafoy ny mpandova.
Lahitokana anefa ny ainy. Tsy maintsy misafidy na hifindra monina dieny izao na hikiribiby, hiantehitra amin’ny vintana sao mba tsy tra-doza. Tsy mora izany, kanefa zotra tsy maintsy arahin’ny mponina eny an-tampon’Antananarivo. Indrindra moa anatin’izao vanim-potoanan’ny maitsoahitra miampy fahantrana lalina izao, mangidy raha mangidy ny manjo ireo tsy maintsy handao ny trano.
Mampihorona ny hodi-doha tokoa anie ity fiainan-dRamalagasy ity. Vao omaly no nivoaka ny tatitra avy amin-dry manam-pahaizana fa firenena voalohany avy aty amin’ny farany i Madagasikara amin’ny resaka fahantrana. 80 % ny mponina no voasokajy ho farahidiny. Tena latsaka ambany dia ambany ny vahoaka malagasy. Tsy hita izay teny mahalaza azy. Mahatonga saina lalina ny zava-misy.
Tsy natao ho fialana bala tsy hanarahan-dalàna na hialokalofana amin’ny famonoan-tena ankolaka anefa ny fahantrana. “Aleo maty rahampitso”, hoy ny Ntaolo koa tsara ihany raha mba manaraka ny lamina. Tsy miandry tery vao hahatsapa tena. Tokony ho mora tenenina!
r.r