Ralison Roger: “Manome vahana ny kandidà hafa ny mpanohitra”

“Mampalahelo ny fanaovana politika eto Madagasikara. Satria tokony ho hery hitambatra sy hifanampy ary hifanohana hilaza hoe: rehefa tsy hifidy anay ianareo dia fidio ny namanay hafa mpanohitra”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha mpanorina ny antoko Parti Républicain de Mada­gascar (PRM), Ralison Roger. Manoloana ny fizotran’ny fampielezan-kevitra, indrindra eto Antananarivo Renivohitra, amin’izao fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna, hatao amin’ny 11 desambra izao no nanambarany izany. Lasa ny samy mpanohitra indray no mifanasa vangy. Efa misy tonga saina ihany ny sasany eo anivon’ny fanoherana hoe tsy tokony hiady. Saingy azo lazaina hoe efa tratra aoriana ihany izay. Lasa milalao ny lalaon’ny kandidà atolotra sy tohanan’ny antoko eo amin’ny fitondrana ry zareo.
Samy te ho lohany ny eo anivon’ny fanoherana ka tafalatsaka ao anatin’ny fandriky ny fifanenjehana. Tsapa fa misy manarina izay amin’izao fotoana farany amin’ny fampielezan-kevitra izao. Saingy mety hiparitaka be ihany ny vato ho azo amin’ny fifidianana. Tena mahitsy be izy niteny: hafa ihany ry zareo nahazo fiofanana politika tamin’ny fahatanorana. Toy ny Monina izany, ny AKFM, ny MFM… Ny ankehitriny, tongatonga ho azy eo amin’ny toerana dia mamorona antoko politika: tsy misy fiofanana. Ireny ny vokany fa lasa tsy matotra ara-poto-kevitra sy ara-politika. Lasa ny fo no mitondra fa tsy ny saina amin’ny fanaovana politika.

R. Nd.

Partager sur: