Hotontosaina eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka ny tohin’ny andro fahafolon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Rugby, federaly I, « XXL Top 12 ». Anisan’ny fifanandrinana tena andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny FTM Manjakaray sy ny Uscar Kaominina.
Tanterahina anio, any Afrika Atsimo, amin’ny 12 ora atoandro ora eto Madagasikara, ny andro faharoan’ny fifaninanana baolina kitra, ho an’ireo firenena aty amin’ny faritra Atsimo Atsinanan’i Afrika, « Cosafa », sokajy vehivavy, zandriny U17. Hifandona amin’i Malawi ny ekipam-pirenena malagasy, Barea.
Ho fanomanana ny lalao amin’i Eswatini, izay tafiditra amin’ny ady tapakilan’ny fiatrehana ny « Chan 2024 », hanao fihaonana ara-pirahalahiana roa any Antsirabe, ny Barea de Madagascar Chan, izay tarihin-dRakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô. Ny ekipa voafantin’Amoron’i Mania sy Vakinankaratra no hifanandrina amin’izy ireo, amin’izany.
Tsy misy tohiny ny resaka mahakasika ny mpanazatran’ny Barea de Madagascar, izay nanaovan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) tolotr’asa. Nisy ny antso natao tamin’izany, saingy tsy mety mamoaka ny vaovao momba izany ny tomponandraikitra eo anivon’ity rafitra federaly ity, ka tsy fantatra mazava izay isan’ireo teknisianina nandefa tolotra amin’izany.