Tohivakan’ny Fahamarinana: Miady amin’ny kolikoly ny kristianina

Hanatanteraka fanompoam-pivavahana ao amin’ny FJKM Amparibe Famonjena, ny alahady izao, ny tambajotran’ny kristianina malagasy miady amin’ny kolikoly sy ny fahalovana eto Madagasikara.
Hanamarika ny fandraisan’ izy ireo anjara amin’ny Andro maneran-tany hiadiana amin’ny kolikoly isaky ny 9 desambra ny hetsika.
Misy mpikambana anarivony manerana an’i Mada­gasikara, izay maneho ny fahavononany hiady amin’ity loza ity, amin’ny alalan’ny fijoroana amin’ny finoana kristianina. ‎
‎Hisy ny fanekena hataon’ ireo mpikambana vaovao sy ny fanavaozam-panekena ho an’ny mpikambana tranainy rahampitso, mandritra ny fa­nom­poam-pivavahana
Marihina fa ny mpitandrina Razafiarison Emilien no na­nangana ny ‎tambajotran’ny kristianina malagasy miady amin’ny kolikoly sy ny fahalovana eto Madagasikara.
Tanjona ny hiady amin’ny fahantrana vokatry ny kolikoly lalim-paka miseholany eny amin’ny fiarahamonina sy eo anivon’ny asam-bahoaka sy asam-panjakana, indrindra eo amin’ny sehatra sosialy sy toekarena. ‎Ahitana ny sokajin’olona rehetra ny mpikambana, ary tsy hanavahana finoana na fiangonana na saranga sosialy.
‎Ny filankevitry ny fito no mitarika sy mandrindra ny‎ tambajotran’ny kristianina malagasy miady amin’ny kolikoly sy ny fahalovana eto Madagasikara .

Tatiana A

Partager sur: