Tranombokim-pirenena : Manana tahala manokana i Inde

“India corner”, na tahala manokana ho an’ny firenena indianina. Sambany no misy ao amin’ny Tranombokim-pirenena izany. Mariky ny firoboroboan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta izy ity.

Mihamafy ny fifandraisana ara-kolontsaina sy ara-diplomatika eo amin’i Madagasikara sy Inde. Notokanana omaly mantsy ny “India corner”, tahala iray manokana ho an’ity firenena ity, ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. “Toerana miavaka izy ity. Toy ireo firenena hafa miisa 13 efa manana, misy toerana manokana ahafahana mamantatra bebe kokoa momba an’i Inde koa ao amin’izao. Manampy betsaka ireo mpianatra, mpikaroka sy ireo liana ny mombamomba ireo firenen-kafa ny tahala, satria mahatratra 200 isan-kerinandro ireo olona tonga mitsidika ao”, hoy ny nambaran’ny minisitry ny Ko­lontsaina sy ny serasera, Mara Donna Volamihanta, nandritra ny fandraisam-pitenenany, omaly.
“Manana sivilizasiona efa tranainy i Inde, na dia firenena vao haingana ihany aza. Ny taona 1947 no nahazo ny fa­haleovantena izy, ary firenena be mponina sy be tanora indrindra amin’izao fotoana izao. Niroborobo tao anatin’ny taona vitsy ny toekareny, indrindra ny lafiny siansa, fizahantany, an­go­vo azo havaozina, fa indrindra ny lafiny fitsaboana sy fa­mokarana fanafody. Hanampy betsaka hizarana ny traikefa amin’ireo sehatra ireo ity tahala ity”, hoy ny nambaran’ i Banda­ru Wilson­babu, masoivohon’i Inde mi­asa sy monina eto Ma­dagasi­kara.
Tohiny ary tsy ho farany mihitsy raha ny fiaraha-miasa eo amin’i Inde sy i Madagasi­ka­ra, raha ny lafiny kolontsaina. Nanambara ny masoivoho fa hisy ny “festival” ho an’ny sarimihetsika indianina hokarakaraina eto, amin’io taona ho avy io. Efa manolotra fampianarana ny teny hindi sy fampianarana youga ihany koa izy ireo ao amin’ny masoivoho ao Tsaralalàna. Misy ihany koa ireo fampiofanana ho an’ny tanora, sy ny fanomezana vatsim-pianarana ireo mpianatra any amin’ny ambaratonga ambony.

Zo ny Aina

Partager sur: