Nanomboka omaly ny asa fandavahana lavadrano. Tanjona ny hanampy tosika ny famatsian-drano amin’ny faritra eto Antananarivo sy ny manodidina. Hamokatra rano 700m3 isan’andro ireo lavadrano ka miisa 24 500 ireo hisitraka izany. Marihina fa mitentina 4 995 019 000 Ar ny teti-bidin’ireo asa.
Mbola hiverina ao Antsiranana ilay sambo lehibe « Norwegian Dawn » nitondra mpizahatany 2000 mahery, raha tokony hiantsona ao an-toerana. Nanohy ny diany any amin’ny nosy La Réunion izy rehefa tsy tomombana ara-teknika ireo fotodrafitrasa tokony hiampitan’ireo mpandeha. Handroso vahaolana ihany koa ny eo anivon’ny APMF.
Narafitra ny tetikasa « Tosika Angovo » (Tango), hampidirana herinaratra eny ambanivohitra (Ceri). Mamatsy vola azy ny Vondrona eoropeanina (UE) sy ny fiaraha-miasa alemà ho an’ny fampandrosoana (GIZ/Perer 3). Miahy azy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo.
Manomboka ny asa fanamboarana ny tetezana any Matraoany, miditra eo Morafenobe (RNT8). Mampitohy an’Ambatomainty sy Morafenobe, faritra Melaky, ity tetezana ity. Lasan’ny rano tamin’ny janoary 2023 ny « radier » teo, ka fivilian-dalana no natao hatramin’izay. Mirefy 21 m ny tetezana vaovao amboarina.