«Village Engage For Change»: Nampiranty ny sehatrasa sosialiny ny Orange

Nisokatra, omaly, eo amin’ny Orange Digital Center Madagascar, Gara Soarano, ny fampirantiana ny “Village Engage For Change”, tanàna miroso amin’ny fiovana miaraka amin’ny orinasa Orange Madagascar. Haharitra roa andro ary misokatra ho an’ny daholobe ny hetsika, hanasongadinana ny sehatrasa sahaniny momba ny fiovan’ny toetr’andro, fahasalamana, ady amin’ny kolikoly ary ny firaisankinan’ny mpiasa ma­nao asa an-tsitrapo.
Ankoatra ny fampirantiana, misy koa ny fitiliana ara-pahasalamana momba ny VIH/ Sida, diabeta, homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza sy prostate.
Ao anatin’ny fampizakan-tenan’ny vehivavy, nampiranty ny vokatra vitany izy ireo taorian’ny fiofanana teo anivon’ny Maisons digitales pour les femmes ao amin’ny Bazary solidaire.
Hanao famelabelaran-ke­vitra momba ireo lohahevitra sahaniny koa ny mpilatsaka an-tsitrapon’ny Orange mandritra ny hetsika eo an-toerana. 200 ny mpiasan’ny Orange manokana fotoana ho an’ny fanampiana ny mpiara-belona amin’ny faritra 23.

Vonjy

Partager sur: