Baolina kitra sokajy vehivavy – Cosafa: Mahomby ny Barea de Madagascar

Nahazo vokatra tsara indray ny ekipam-pirenena malagasy, Barea, vehivavy, ny sabotsy lasa teo, tany Afrika Atsimo. Manana isa enina izy ireo, miandry azy ireo i Afrika Atsimo, mpampiantrano.

Notanterahina ny sabotsy teo, tao amin’ny Kianja UJ Soweto Johannes­bourg, Afrika Atsimo, ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika «Cosafa», taranja baolina kitra, sokajy U17, vehivavy. Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’i Madagasikara, amin’ity fifaninanana ity. Nahazo fandresena faharoa ho azy ny ekipa nasionaly malagasy, lavon’ izy ireo tamin’ny isa 4 no ho 2, ny mpilalaon’i Malawi.
Tsiahivina fa efa nandavo an’i Namibie, 5 no ho 0, ny Barea, vehivavy, nandritra ny andro voalohany. Mitana ny laharana voalohany ao amin’ny vondrona B i Madagasikara, ary manana isa enina. Tsiahivina fa i Afrika Atsimo, mpampiantrano sy i Malawi ary i Namibie no miray sokajy amin’ny Barea, mandritra ity fifanintsanana ity. Ny ekipam-pirenen’i Malawi sy i Namibie, tsy tafita intsony fa miady laharana sisa no ataon’izy ireo.

Famaranana kely
Hatao anio ny lalao fahatelon’ny vondrona B, amin’ity Cosafa ity. Hiady ny tapakilan’ny manasa-dalana i Madagasikara sy Afrika Atsimo, tompon-jaridaina. Raha ny vaovao voaray omaly, izay voalohany isam-bondrona ihany no miatrika ny dingana manaraka. Efa nanoman-tena fatratra ireo Malagasy vehivavy mpilalao, ary manana tanjona ny handrombaka ity Cosafa ity izy ireo. Ampahatsiahivina ihany fa tokony ho natao tany Mozambika ity fifanintsanana ity, izao navadika any Afrika Atsimo izao indray.

Fitia Randria

Partager sur: