“Creashort Festival” : sarimihetsika fohy 11 no hifaninana

Aina vao ho an’ny tontolon’ny sarimihetsika. Nampaha­fan­tatra ny fisian’ny “Crea­short Festival” andiany voalohany, ny Cinevore Studio, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Ony House Amba­tobe. Hetsika iray mikendry ny hampiroborobo ity sehatra ity, amin’ny alalan’ny fifaninanana sarimihetsika fohy izy io. Tsy mitovy amin’ny fifaninanana efa nisy hatramin’izay anefa, fa niainga tamin’ny fototra mihitsy ny mpikarakara izay notohanan’ny tetikasa Ony.
Mpanatontosa 71 no namaly ny antso voalohany, ka nomen’ny tetikasa fiofanana fototra momba ny sarimihetsika ny 7 hatramin’ny 9 novambra lasa teo. Taorian’ izay, nomena ny lohahevitra sy ny masontsivana takina izy ireo, hanatontosany sarimihetsika fohy 5 hatramin’ny 7 minitra. Nanana roa herinandro ireo mpifaninana hamitany ny sanganasany, ka 11 tamin’ireo no notanan’ny mpitsara hiatrika ny dingana famaranana.
“Natao hanomezan-danja ny talentan’ireo tanora ny hetsika, ankoatra ny fampiroboroboana ny sarimihetsika malagasy”, hoy i David Mirado, tomponandraikitry ny Cine­vore Studio. Alefa amin’ny Face­book ireo sarimihetsika ireo mba handraisan’ny mpankafy anjara amin’ny fitsarana ihany koa. Aorian’izay, ha­moaka ny vokatra ny 14 de­sambra izao ireo mpitsara, ahitana an’ireo matihanina amin’ny tontolon’ny sarimihe­tsika. Loka telo no hozaraina, amin’izay, ka ny “Clash d’or”, arahina lelavola 1 tapitrisa Ar no voalohany. Ny “Prix du jury” sy ny “Prix du public” kosa dia samy hahazo 5 hetsy Ar avy.

Zo ny Aina

Partager sur: