DAKA AN-JORONY: Singam-bolo mandavo ny vositra

Mideza toy ny vato fa nirodana ihany. Noindraindraina tamin’ny haino aman-jery fa andrarezina manerana izao tontolo izao, ilay frantsay, i Dylan Rocher, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, amin’ny «tir de précision», taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana nifarana omaly, tany Dijon, France. Napetraky ny frantsay ho toa an’i Messi izy. Nitranga ny tsy nampoizina fa vaky sy niparitaka ilay vatolampy natao tsy hikoro. Tsy nivoaka «poule».
Mbola niangarana hanao famerenana ka nahatonga ny Federasiona iraisam-pirenena hanova ny lalàna saingy tsy tafavoaka ihany ilay mitonon-tena ho mpanjakan’ny tsipy kanetibe.
Tsy izay manandra-tena no ho izy. Maro ireo porofo nanambara fa tsy misy tompondaka mandrakizay izany. Tsaroan’ny rehetra ilay mpanao ady totohondry amerikanina, i Mike Tyson, ny taona 1996. Nohobiana fatratra fa tsy mbola teraka ny handresy azy ary tsy misy atahorany na iray aza eto ambonin’ny tany. Evander Holifield, olona tsy tsinontsinona akory no nampitrotrongy sy nampihinam-bovoka azy teo ambony ringa.
Hain’ny maro ihany ny tantaran’i Goliata, ilay olombe mpitari-tafika tany Filistina mirefy hatrany amin’ny 2 mahery ary milanja 200 kg, natahoran’ny rehetra. Olona kely, tsy ampy refy sady mpiandry ondry no nahalavo ka nahafaty azy mihitsy tamin’ny antsamotady. Midika izany rehetra izany fa tsy ny akora lava mameno tanety na ny fankalazana azy amin’ny haino aman-jery no maha goavana. Mafy noho ny mafy ny hery mangina ao anaty. Ny tody tsy misy, ny atao no miverina. Nanody an’i Dylan Rocher ny antsonjay nanaovany an’i Taratra, nandritra ny famaranana ny «tir de précision», ny taona 2019, tany Canada.

Tompondaka

Partager sur: