Nanamafy ny fanohanany ny kandidà Tahina Razafinjoelina ny antoko MMM, ARB, FMI malagasy ary ny MFM, omaly. « Misy fiainana politika tokony hiova amin’izao fotoana izao. Tahina Razafinjoelina no mahavita izany sady mampandroso an’Antananarivo. Ny tsy fananana vina sy asa matotra ho fanarenana an’Antananarivo no mahatonga ny tanàna amin’izao toerana misy azy izao », hoy izy ireo.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny sidina manokana nankany Somalia, nitondra ireo Somalianina dobo an-dranomasina teto Madagasikara, ny volana novambra teo. Fiaraha-miasan’i Madagasikara, tamin’ny alalan’ny fifampiraharahana notarihin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny no nahatontosa izany.
Ankalazaina amin’ity anio ity ny Andro maneran-tany hiadiana amin’ny kolikoly. Anisan’ny mankalaza izany ny eto Madagasikara amin’ny alalan’ny hetsika maro karakarain’ny Bianco. Ny ady amin’ny kolikoly izay anisan’ny laharam-pahamehana ho an’ny fitondram-panjakana ankehitriny, hiantohana ny fitondrana mangarahara.
Mitsidika ny distrikan’i Shishi, any Chine, ny filohan’ny Antenimierandoholona amin’izao fotoana izao, araka ny fanasana natao taminy. Ao anatin’ny fitsidihana no hizarany traikefa sy fahaiza-manao eo amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Ankoatra izay, tomponandraikitra maro any Chine no hihaona aminy.